|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ilay dobo |
| Singan-teny | 2 ilay, 3 dobo |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6 Razafintsalama Josefa |
| Lahatsiratra manontolo |
7 8 Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa: 9 ny morony tontolo, zozoro manga taho; 10 anivony, tatamo mivela-bony soa; 11 ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho 12 He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana; 13 ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho; 14 tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana; 15 vivy no miria eo fa miery tsimilaho. 16 He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina, 17 fa laokan-drano maro no ao mihahohaho: 18 amalona sy trondro, mangata-koalaina; 19 ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho; 20 tsindrahaka mitady izay olona mpitia; 21 irony ondrindrano, antsirina aman-toho 22 mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria 23 dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho. 24 lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa; 25 ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro; 26 ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa; 27 miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro. |
| Fivaditsoratra | 28 abolidio, Ilay dobo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|